Joela
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1Ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Joela, zanak’i Petoela.
- 2[Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo, va izao?
- 3Lazao amin’ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ny zanany kosa, ary ny zanak’ireo kosa indray amin’ny taranaka mandimby azy.
- 4Izay sisan’ny kijeja* dia nohanin’ny koraika; Ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao*: Ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga***. [*Heb. mpikiky][**Heb. mpilelaka] [***Heb. mpandany]
- 5Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ny vavanareo izany.
- 6Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.
- 7Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
- 8Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana* noho ny amin’ny vadin’ny fahatanorany.[Heb. lamba malailay]
- 9Efa tapaka tsy ho ao amin’ny tranon’i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.
- 10Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena* ny diloilo.[Heb. Malazo]
- 11Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
- 12Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia* ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ny zanak’olombelona. [palma]
- 13Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara; Andeha mandry amin’ny lamba fisaonana* mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]
- 14Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’i Jehovah.
- 15Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.
- 16Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’Andriamanitsika?
- 17Matimaso ao ambanin’ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
- 18Indrisy, ny fitoreon’ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ny ondry aman’osy aza dia mijaly noho ny heloka.
- 19Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
- 20Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ny afo ny kijana any an-efitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.