Joela
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 3
- 1[Ny amin’ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
- 2Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.
- 3Ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.
- 4Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
- 5Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.