Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 1
- 1Ny tenin’i Amosa, izay isan’ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ny Isiraely tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andro nanjakan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely, roa taona talohan’ny horohorontany.
- 2[Ny loza hanjo ny firenena enina amin’ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’i Karmela.
- 3Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria kodia vy no nivelezany an’i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
- 4Fa haterako afo ny tranon’i Hazaela, ka handevona ny tranoben’i Beni-hadada izany.
- 5Hotorotoroiko koa ny hidin’i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina* ny lohasahan’i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
- 6Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
- 7Fa haterako afo ny mandan’i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
- 8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
- 9Izao no lazain’i Jehovah: noho ny fahotana telon’i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
- 10Fa haterako afo ny mandan’i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
- 11Izao no lazain’i Jehovah: noho ny fahotana telon’i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
- 12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’i Bozra izany
- 13Izao no lazain’i Jehovah: noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
- 14Fa hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio;
- 15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.