Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 6
- 1Lozan’ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ny taranak’Isiraely.
- 2Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan’ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ireo va ny taninareo?
- 3Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
- 4Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ny fandriandriany ary homana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ny ondry sy ny zanak’omby avy ao am-pahitra,
- 5Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon’i Davida,
- 6Dia ireo izay misotro divay amin’ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban’i Josefa.
- 7Koa amin’izao dia ho voalohany amin’izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’izay mitsilailay foana.
- 8Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny.
- 9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
- 10Ary ny havan’izay maty, na izay handevina* azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’i Jehovah. [Heb. handoro]
- 11Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
- 12Mihazakazaka eny amin’ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
- 13Dia ianareo izay mifaly amin’ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
- 14Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin’i Hamata izy ka hatramin’ny lohasahan-driaka any amin’ny tani-hay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.