Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 5
- 1[Ny handravana ny fanjakan’Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’Isiraely;
- 2Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
- 3Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ny taranak’Isiraely.
- 4Fa izao no lazain’i Jehovah amin’ny taranak’Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
- 5Fa aza mitady an’i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
- 6Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ny taranak’i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
- 7Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ny tany.
- 8Ilay nanao an’Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ny tany: Jehovah no anarany,
- 9Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.
- 10Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
- 11Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
- 12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly* ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
- 13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’izao andro izao, fa andro mampahory izao.
- 14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
- 15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa. [Heb. am-bavahady]
- 16Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
- 17Ary any amin’ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
- 18Lozan’izay maniry ny andron’i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
- 19Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin’ny rindrina, dia kekerin’ny menarana.
- 20Moa tsy aizina va ny andron’i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
- 21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
- 22Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
- 23Atsaharo ny finaonaonan’ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
- 24Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
- 25Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’i Isiraely?
- 26Tsia, fa ny nitondra* ny tabernakelin’ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ny sampinareo ihany no nataonareo**, dia ny kintan’ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia fa ny mitondra an’i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]
- 27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.