Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 3
- 1[Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain’i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’Isiraely, dia ny amin’io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Egypta io:
- 2Hianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
- 3Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
- 4Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
- 5Voan’ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
- 6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
- 7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.
- 8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
- 9Ambarao ao an-tranoben’i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
- 10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
- 11Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
- 12Izao no lazain’i Jehovah: Toy ny famonjin’ny mpiandry ondry ny tongotr’ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
- 13Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
- 14Amin’ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ny tany.
- 15Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.