Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 2
- 1Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
- 2Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ny tabataba sy amin’ny akora ary ny fanenon’ny anjomara;
- 3Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
- 4Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
- 5Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’i Jerosalema izany.
- 6Izao no lazain’i Jehovah: Noho ny fahotana telon’Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
- 7Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo* an-dohan’ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
- 8Amin’ny lamba azony tamin’ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ny sazy* ao an-tranon’ireo andriamaniny izy. [Heb. divain’y voasazy]
- 9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
- 10Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ny Amorita,
- 11Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’Isiraely? hoy Jehovah.
- 12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
- 13Indro, Izaho no hitambesatra aminareo* toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
- 14Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
- 15Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
- 16Ary na dia izay sahy ao amin’ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’izany andro izany, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.