Amosa
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
Toko 8
- 1[Ny fahitana nentin’Andriamanitra nilaza tamin’i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon’i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
- 2Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin’ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho. [Heb. handalo azy]
- 3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin’izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
- 4Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin’ny tany
- 5Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
- 6Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
- 7Jehovah nianiana tamin’ny Reharehan’i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
- 8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’i Neily sy hihena indray toy ny Neilin’i Egypta.
- 9Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
- 10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
- 11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin’i Jehovah; [Heb. mosary]
- 12Ary hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
- 13Amin’izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
- 14Dia ireo izay mianiana amin’ny fahotan’i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon’i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.