Josoa
Toko 1
- 1[Ny niomanan’i Josoa sy ny olona hita an’i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’i Mosesy:
- 2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’Isiraely.
- 3Ny tany rehetra izay hodiavin’ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’i Mosesy.
- 4Hatramin’ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ny Hetita, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
- 5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
- 6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy.
- 7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina* ianao amin’izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]
- 8Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina*. [Na: ho hita ho hendry]
- 9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.
- 10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
- 11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
- 12Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase dia nilazan’i Josoa hoe:
- 13Tsarovy ny teny izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
- 14Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ an-dafin’i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ny rahalahinareo hanampy azy,
- 15 mandra-panomen’i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’i Jordana.
- 16Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
- 17Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.
- 18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.