Josoa
Toko 19
- 1Ary ny loka faharoa dia azon’i Simeona, dia ny firenena taranak’i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda.
- 2Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada
- 3sy Hazara-soala sy Bala sy Azema
- 4sy Eltolada sy Betola sy Horma
- 5sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa
- 6sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin’ny folo sy ny zana-bohiny;
- 7sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny;
- 8ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin’ny tany atsimo. Izany no lovan’ny firenena taranak’i Simeona araka ny fotony.
- 9Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, ka izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.
- 10Ary ny loka fahatelo dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin’ny lovany dia hatrany Sarida,
- 11dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an’i Dabeseta ka nihatra tamin’ny lohasahan-driaka tandrifin’i Jokneama,
- 12dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin’ny fari-tanin’i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
- 13dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an’i Nea,
- 14dia niolaka eo avaratr’iny ka nahazo an’i Hanatona, dia nihatra tamin’ny lohasaha Jifta-ela.
- 15Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin’ny folo sy ny zana-bohiny.
- 16Izany no lovan’ny taranak’i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 17Ary ny loka fahefatra dia azon’Isakara, dia ny taranak’Isakara isam-pokony.
- 18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
- 19sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
- 20sy Rabita sy Kisiona sy Abeza
- 21sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza.
- 22Ary ny fari-taniny dia nahazo an’i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin’ny folo sy ny zana-bohiny.
- 23Izany no lovan’ny firenena taranak’Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 24Ary ny loka fahadimy dia azon’ny firenena taranak’i Asera isam-pokony.
- 25Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa
- 26sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata,
- 27dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia
- 28ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe,
- 29dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ny ranomasina teo akaikin’ny tany Akziba
- 30ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny.
- 31Izany no lovan’ny firenena taranak’i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 32Ary ny loka fahenina dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pokony.
- 33Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin’ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an’i Jordana,
- 34dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an’i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana.
- 35Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta
- 36sy Adama sy Rama sy Hazora
- 37sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora
- 38sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin’ny folo sy ny zana-bohiny.
- 39Izany no lovan’ny firenena taranak’i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 40Ary ny loka fahafito dia an’ny firenena taranak’i Dana isam-pokony.
- 41Ary ny fari-tanin’ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy
- 42sy Salabima sy Aialona sy Jitla
- 43sy Elona sy Timna sy Ekrona
- 44sy Elteke sy Gibetona sy Baleta
- 45sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona
- 46sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa.
- 47Ary ny fari-tanin’ny taranak’i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’i Dana, dia niady tamin’i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’i Dana rainy.
- 48Izany no lovan’ny firenena taranak’i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.
- 49Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen’ny Zanak’Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak’i Nona.
- 50Araka ny tenin’i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin’ny tany havoan’i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao.
- 51Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely tao Silo teo anatrehan’i Jehovah, dia teo am-baravaran’ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.