Josoa
Toko 18
- 1[Ny nananganana ny tabernakely tao Silo, sy nanoratana ny tany sisa tsy mbola voazara]Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
- 2Ary nisy firenena fito tamin’ny Zanak’Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
- 3Dia hoy Josoa tamin’ny Zanak’Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?
- 4Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
- 5Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra any amin’ny taniny ao avaratra.
- 6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika aho.
- 7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’i Jordana, izay nomen’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, azy.
- 8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’i Jehovah.
- 9Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
- 10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’i Jehovah; ary tao no nizaran’i Josoa ny tany ho an’ny Zanak’Isiraely araka ny fizarany.
- 11[Ny nizarana ny tany sisa andrefan’i Jordana: Ny anjaran’ny Benjamina, ny Simeona, ny Zebolona, ny Isakara, ny Asera, ny Naftaly sy ny Dana. Ny tany nomena an’i Josoa] Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa.
- 12Ary ny fari-taniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ny ilan’i Jeriko amin’ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ny efitr’i Betavena,
- 13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ny ilany atsimon’i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Beti-horona ambany,
- 14dia niolaka tamin’ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ny tendrombohitra izay eo anoloan’i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ny taranak’i Joda; izany no lafiny andrefana.
- 15Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ny faran’i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ny loharanon’i Neftoa,
- 16dia nidina hatramin’ny faran’ny tendrombohitra, izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, eo amin’ny Lohasahan’ny Refaita eo avaratra, ka nidina hatramin’ny lohasahan’i Hinoma, hatramin’ny ilany atsimon’ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
- 17dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ny vaton’i Bohana, zanak’i Robena,
- 18dia nandroso hatramin’ny ilany avaratra tandrifin’ny tani-hay* ka nidina hatrany amin’ny tani-hay*.
- 19dia nandroso hatramin’ny ilany avaratr’i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ny helo-drano avaratra amin’ny Ranomasin-tsira, eo amin’ny farany atsimo amin’i Jordana; izany no lafiny atsimo. [*Heb. Arabà]
- 20Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina amin’ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
- 21Ary ny tanànan’ny firenena taranak’i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’i Keziza
- 22sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
- 23sy Avima sy Para sy Ofra
- 24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ny folo sy ny zana-bohiny;
- 25sy Gibeona sy Rama sy Berota
- 26sy Mizpa sy Kefira sy Moza
- 27sy Rekema sy Iripela sy Tarala
- 28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata*: tanàna efatra ambin’ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina araka ny fokony.[Na: ny havoan’i Kiriata]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.