Josoa
Toko 17
- 1Ary nahazo zara-tany tamin’ny filokana koa ny firenen’i Manase (fa izy no lahimatoan’i Josefa), dia Makira, lahimatoan’i Manase, rain’i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’i Gileada sy Basana.
- 2Ary nisy koa ho an’ny taranak’i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ny taranak’i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin’i Manase, zanak’i Josefa, araka ny fokony.
- 3Fa Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Matira, zanak’i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
- 4Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’i Jehovah.
- 5Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin’i Jordana,
- 6satria ny zanakavavin’i Manase niara-nahazo lova tamin’ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an’ny zanakalahin’i Manase sisa.
- 7Ary ny fari-tanin’i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’i Sekema, dia nandroso tamin’ny ankavanana* hatramin’ny mponina any En-tapoa. [Na: hatrany Jamina]
- 8Ary an’i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin’ny fari-tanin’i Manase, dia an’ny taranak’i Efraima.
- 9Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon’ny lohasahan-driak’i Kana; ireo tanana teo amin’ny tanànan’i Manase ireo dia an’i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin’ny ranomasina.
- 10Ny atsimo dia an’i Efraima, ary ny avaratra dia an’i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin’i Asera teo avaratra sy tamin’Isakara teo atsinanana izy.
- 11Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’Isakara sy teo amin’i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ny havoana telo ireo.
- 12Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’i Manase: fa tian’ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
- 13Fa rehefa nihahery ny Zanak’Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
- 14Dia niteny tamin’i Josoa ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ?
- 15Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan’i Efraima.
- 16Dia hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela.
- 17Dia hoy Josoa tamin’ny taranak’i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia* manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.[Na: fa]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.