Josoa
Toko 5
- 1Ary ny mpanjaka rehetra amin’ny Amorita any an-dafy andrefan’i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ny Zanak’Isiraely mandra-pitany*, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Isiraely. [*Na: (mandra-pitantsika)]
- 2[Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan’ny mana] Tamin’izany andro izany no nilazan’i Jehovah tamin’i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’Isiraely.
- 3Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’Isiraely teo an-kavoana Haralota.
- 4Ary izao no anton’ny namoran’i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin’izy efa nivoaka avy tany Egypta.
- 5Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin’izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
- 6Fa efa-polo taona no nandehanan’ny Zanak’Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
- 7Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan’i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
- 8Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin’ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
- 9Dia hoy Jehovah tamin’i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan’i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Gilgala* mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
- 10Ary ny Zanak’Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana, teo amin’ny tani-hay* any Jeriko.[Heb. Arabà]
- 11Ary nony ampitson’ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin’izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
- 12Ary nitsahatra ny mana tamin’iny andro ampitso iny, dia tamin’ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ny Zanak’Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’izany taona izany.
- 13[Ny nisehoan’ny Komandin’ny miaramilan’i Jehovah tamin’i Josoa, sy ny nahafahan’ny Isiraely an’i Jeriko] Ary nony teo akaikin’i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ny fahavalonay?
- 14Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ny miaramilan’i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy ?
- 15Dia hoy Ilay Komandin’ny miaramilan’i Jehovah tamin’i Josoa: Esory amin’ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon’i Josoa izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.