Josoa
Toko 7
- 1[Ny fahotan’i Akana sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak’Isiraely nandika ny didy ny amin’ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny firenen’i Joda, naka tamin’ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ny Zanak’Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah.
- 2Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’i Betavena, atsinanan’i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’i Ay.
- 3Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
- 4Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ny mponina tao Ay ireo.
- 5Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan’ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon’ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
- 6Dia notriarin’i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny fiaran’i Jehovah mandra-paharivan’ny andro izy sy ny loholon’ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
- 7Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan’ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin’i Jordana ihany!
- 8Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan’ny fahavalony?
- 9Ary ho ren’ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
- 10Dia hoy Jehovah tamin’i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
- 11Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin’ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin’ny entany.
- 12Koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalony ny Zanak’Isiraely; miamboho eo anoloan’ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
- 13Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
- 14Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan’i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan’i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan’i Jehovah dia hanatona indray isam-batan’olona.
- 15Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin’ny afo izy mbamin’izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken’i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra* teo amin’ny Isiraely.[Heb. fahadalana]
- 16Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen’i Joda no notanana.
- 17Dia nitondra ireo fokon’i Joda izy; ka ny fianakavian’i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian’i Zera indray isam-batan’olona izy, ka Zabdy no notanana;
- 18dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy zanak’i Zera, avy tamin’ny firenen’i Joda, no notanana.
- 19Dia hoy Josoa tamin’i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy*; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderà azy]
- 20Ary Akana namaly an’i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:
- 21Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin’ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin’ny tany ao amin’ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
- 22Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin’ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin’ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
- 23Dia nalainy avy ao amin’ny lay ireny ka nentiny teo amin’i Josoa sy ny Zanak’Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan’i Jehovah
- 24Dia nalain’i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak’i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman’osiny ary ny lainy mbamin’izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
- 25Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin’ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.
- 26Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin’ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora*.[Akora = fampidiran-doza]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.