Josoa
Toko 2
- 1[Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy] Ary Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
- 2Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
- 3Dia naniraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
- 4Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
- 5ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
- 6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ny tampon-trano.
- 7Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
- 8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
- 9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo.
- 10Fa efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
- 11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.
- 12Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
- 13fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
- 14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
- 15Dia nampidina azy tamin’ny mahazaka avy teo amin’ny varavarankely izy; fa teo amin’ny màndan’ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ny manda no nitoerany.
- 16Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’izay halehanareo.
- 17Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’izany fianianana nampianianinao anay izany:
- 18Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
- 19ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
- 20fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
- 21Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy jaky.
- 22Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
- 23Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’i Josoa, zanak’i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
- 24ka hoy izy tamin’i Josoa: Efa natolotr’i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra antsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.