Josoa
Toko 12
- 1[Ny anaran’ny mpanjaka izay novonoin’ny Zanak’Isiraely] Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’ny Zanak’Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’i Jordana hatramin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ny tani-hay* [Heb. Arabà]
- 2Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ny lohasaha sy ny antsasak’i Gileada, dia hatramin’ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ny taranak’i Amona, [Heb. Arabà]
- 3ary ny ilany atsinanan’ny tani-hay* hatramin’ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ny ranomasina amin’ny tani-hay*, dia ny Ranomasintsira, amin’ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ny tany atsimo eo am-bodin’i Pisga. [Heb. Arabà]
- 4Ary azony koa ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basana, isan’ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
- 5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ny fari-tanin’ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’i Gileada, fari-tanin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona.
- 6Mosesy, mpanompon’i Jehovah, sy ny Zanak’Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase.
- 7Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’i Josoa sy ny Zanak’Isiraely tany an-dafy andrefan’i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’i Libanona, ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen’i Josoa ny firenen’ny Isiraely araka ny fizarany,
- 8dia ny any amin’ny tany havoana sy amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka* sy amin’ny tani-hay** sy amin’ny tany ambodin’ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ny tany atsimo, dia ny an’ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[*Heb. Sefela][**Heb. Arabà]
- 9Ny mpanjakan’i Jeriko, iray; ny mpanjakan’i Ay, izay eo anilan’i Betela, iray;
- 10ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrona, iray;
- 11ny mpanjakan’i Jarmota, iray; ny mpanjakan’i Lakisy, iray;
- 12ny mpanjakan’i Eglona, iray; ny mpanjakan’i Gazera, iray;
- 13ny mpanjakan’i Debira, iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray;
- 14ny mpanjakan’i Horma, iray; ny mpanjakan’i Arada, iray;
- 15ny mpanjakan’i Libna, iray; ny mpanjakan’i Adolama, iray;
- 16ny mpanjakan’i Makeda, iray; ny mpanjakan’i Betela, iray;
- 17ny mpanjakan’i Tapoa, iray; ny mpanjakan’i Hefera, iray;
- 18ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarona, iray;
- 19ny mpanjakan’i Madona, iray; ny mpanjakan’i Hazora, iray;
- 20ny mpanjakan’i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa, iray;
- 21ny mpanjakan’i Tanaka, iray; ny mpanjakan’i Megido, iray;
- 22ny mpanjakan’i Kadesy, iray; ny mpanjakan’i Jokneama any Karmela, iray;
- 23ny mpanjakan’i Dora eo amin’ny havoan’i Dora, iray; ny mpanjakan’ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
- 24ny mpanjakan’i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ny mpanjaka rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.