Josoa
Toko 14
- 1[Ny nanombohan’i Josoa ny nizarany ny tany: ny anjaran’i Kaleba] Ary izao no nolovan’ny Zanak’Isiraely teo amin’ny tany Kanana, izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholon’ny firenen’i Zanak’Isiraely;
- 2tamin’ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’i Mosesy ny amin’ny firenena sivy sy sasany.
- 3Fa efa nomen’i Mosesy lova tany an-dafin’i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
- 4Fa firenena roa ny taranak’i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ny tany ny taranak’i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ny omby aman’ondriny sy ny fananany.
- 5Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
- 6Dia nankany amin’i Josoa tany Gilgala ny taranak’i Joda; ary Kaleba, zanak’i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
- 7Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
- 8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah Andriamanitrao.
- 9Dia nianiana tamin’izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah Andriamanitro ianao.
- 10Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’i Jehovah izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
- 11Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14:
- 12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’i Jehovah tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’i Jehovah.
- 13Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone.
- 14Izany no nahatongavan’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin’ny fanarahana an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.
- 15Ary tanànan’Arba* no anaran’i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ny Anakita izany Arba* izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.