Deotoronomia
Toko 34
- 1[Ny nahafatesan’i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
- 2sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ny Joda rehetra hatramin’ny ranomasina andrefana
- 3ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ny lohasahan’i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
- 4Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
- 5Ary Mosesy, mpanompon’i Jehovah, dia maty teo amin’ny tany Moaba araka ny tenin’i Jehovah.
- 6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
- 7Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
- 8Ary ny Zanak’Isiraely nisaona an’i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’i Mosesy.
- 9Ary Josoa, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’Isiraely ka nanao araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.
- 10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ny Isiraely tahaka an’i Mosesy, izay fantatr’i Jehovah nifanatrika
- 11tamin’ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
- 12ary tamin’ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’i Mosesy teo imason’ny Isiraely rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.