Deotoronomia
Toko 10
- 1Tamin’izany andro izany no nilazan’Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
- 2dia hosoratako amin’ny vato fisaka ilay teny teo amin’ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ny fiara ireny.
- 3Dia nanao fiara tamin’ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
- 4Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ny afo tamin’ny andro nivoriana; dia nomen’i Jehovah ahy ireny.
- 5Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’i Jehovah ahy.
- 6Ary ny Zanak’Isiraely nandeha niala tamin’ny fantsakan’i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
- 7Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
- 8Tamin’izany andro izany no nanokanan’1 Jehovah ny firenen’i Levy hitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ny anarany mandraka androany.
- 9Izany no tsy ananan’ny Levita anjara na lova eo amin’ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.
- 10Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
- 11Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ny razany homena azy.
- 12[Anatra ny amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon’ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely รด, inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
- 13hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
- 14Indro, an’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.
- 15Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao.
- 16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
- 17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly;
- 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
- 19Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo.
- 20Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
- 21Izy no fidÈranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ny masonao.
- 22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.