Deotoronomia
Toko 15
- 1[Ny amin’ny taom-panafahana] Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.
- 2Ary izao no ho fomban’ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’i Jehovah.
- 3Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin’ny rahalahinao kosa dia hafoinao;
- 4kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,
- 5raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
- 6Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.
- 7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ny rahalahinao malahelo;
- 8fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.
- 9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.
- 10Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao.
- 11Fa ny tany tsy ilaozan’olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
- 12Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ny taona fahafito.
- 13Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
- 14fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ny ondry aman’osinao ary avy amin’ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
- 15Ary tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.
- 16Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,
- 17dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin’ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ny ankizivavinao.
- 18Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ny mpikarama no azonao tamin’ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra ataonao.
- 19[Ny ho fanao amin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy] Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao dia hohamasininao ho an’i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinao.
- 20Eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Jehovah.
- 21Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an’i Jehovah Andriamanitrao ireny.
- 22Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
- 23Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ny tany toy ny rano.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.