Deotoronomia
Toko 3
- 1Dia niverina isika ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’i Basana, mbamin’ny vahoakany rehetra.
- 2Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
- 3Dia natolotr’i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
- 4Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin’izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’i Oga tany Basana.
- 5Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
- 6Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ny isan-tanàna mbamin’ny zaza amim-behivavy.
- 7Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
- 8Ary nalaintsika tamin’izany andro izany tamin’ny mpanjaka roan’ny Amorita ny tany izay any an-dafin’i Jordana, hatramin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ny tendrombohitra Hermona
- 9Hermona nataon’ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
- 10dia ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana.
- 11Fa Oga, mpanjakan’i Basana, ihany no sisa velona tamin’ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ny taranak’i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ny lehilahy.
- 12Ary io tany io dia azontsika tamin’izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
- 13ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan’i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen’i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin’ny Refaita izany.
- 14Jaïra, zanak’i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ny fari-tanin’ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
- 15Ary Gileada dia nomeko an’i Makira.
- 16Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin’ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin’ny amoron’ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin’ny taranak’i Amona,
- 17ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ny ranomasina amin’ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’i Pisga, dia ao atsinanany.
- 18Ary nandidy anareo tamin’izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ny Zanak’Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
- 19Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
- 20 mandra-panomen’i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ny taniny avy, izay nomeko anareo.
- 21[Ny amin’ny tsy hidiran’i Mosesy ao Kanana, sy ny nanendrena an’i Josoa handimby azy] Dia nandidy an’i Josoa aho tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’i Jehovah amin’ny fanjakana rehetra izay halehanao.
- 22Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
- 23Dia nitaraina tamin’i Jehovah tamin’izany andro izany aho ka nanao hoe:
- 24Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
- 25Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
- 26Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’izany zavatra izany ianao.
- 27Miakara eo an-tampon’i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
- 28fa mandidia an’i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
- 29Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’i Beti-peora isika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.