Deotoronomia
Toko 20
- 1[Ny amin’ny miaramila sy ny tafika] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta, no momba anao.
- 2Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ny olona hoe:
- 3Mihainoa, ry Isiraely รด, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
- 4fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
- 5Dia hiteny amin’ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
- 6Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
- 7Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
- 8Ary mbola hiteny amin’ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ny rahalahiny.
- 9Ary rehefa vitan’ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
- 10Raha mby akaikin’izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
- 11Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
- 12Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
- 13Ary rehefa atolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
- 14Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ny fahavalonao, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.
- 15Toy izany no hataonao amin’ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan’ireto firenena ireto.
- 16Fa ny tanànan’ireto firenena ireto kosa, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
- 17Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao,
- 18mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.
- 19Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin’ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
- 20Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.