Deotoronomia
Toko 9
- 1[Anatra ny amin’ny tsi-fanamarinan-tena] MIHAINOA, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’i Jordana hiditra eo amin’ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,
- 2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ny taranak’i Anàka?
- 3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’i Jehovah taminao.
- 4Ary rehefa voaroak’i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’i Jehovah azy eo anoloanao.
- 5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
- 6Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
- 7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ny andro nialanao tany amin’ny tany Egypta ka hatramin’ny nahatongavanareo teto amin’ity tany ity dia mbola niodina tamin’i Jehovah ihany ianareo.
- 8Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.
- 9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
- 10dia nomen’i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ny andro nivoriana.
- 11Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
- 12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midina faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
- 13Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.
- 14Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.
- 15Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.
- 16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ny lalana izay efa nasain’i Jehovah nalehanareo.
- 17Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.
- 18Ary niankohoka teo anatrehan’i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
- 19Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’izany andro izany.
- 20Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’i Arona koa aho tamin’izany andro izany.
- 21Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny renirano izay midina avy amin’ny tendrombohitra.
- 22Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’i Jehovah.
- 23Ary raha nampandehanin’i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.
- 24Eny, niodina tamin’i Jehovah ihany ianareo hatramin’ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
- 25Ary niankohoka teo anatrehan’i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’i Jehovah fa handringana anareo Izy.
- 26Dia nifona tamin’i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny tananao mahery.
- 27Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,
- 28fandrao izay monina amin’ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.
- 29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.