Deotoronomia
Toko 27
- 1[Ny amin’ny hanaovana tsangam-bato hanoratana ny lalàna, sy ny hanaovana ny tso-drano sy ny fanozonana ao an-tendrombohitra Gerizinia sy Ebala] Ary Mosesy sy ny loholon’ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
- 2Ary amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
- 3dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
- 4Ary rehefa tafita an’i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
- 5Ary manorena alitara ao ho an’i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
- 6Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an’i Jehovah Andriamanitrao.
- 7Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.
- 8Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
- 9Dia niteny tamin’ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen’i Jehovah Andriamanitrao ianao.
- 10Koa henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
- 11Dia nandidy ny vahoaka tamin’izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
- 12Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
- 13Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
- 14Dia hiteny ny Levita ka hanao amin’ny Isiraely rehetra amin’ny feo mahery hoe:
- 15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’i Jehovah, asan’ny tanan’ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
- 16Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 17Hozonina izay mamindra ny faritanin’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 18Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 19Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 20Hozonina izay mandry amin’ny vadin-drainy, fa mandry amin’izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 21Hozonina izay mandry amin’ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 22Hozonina izay mandry amin’ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 23Hozonina izay mandry amin’ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 24Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 25Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
- 26Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.