Deotoronomia
Toko 23
- 1Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’izay nandrian-drainy.
- 2[Didy maro samy hafa] Tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
- 3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah: na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah.
- 4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah: na dia hatramin’ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah hatramin’ny mandrakizay ireny,
- 5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’i Balama, zanak’i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
- 6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
- 7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ny andronao rehetra mandrakizay.
- 8Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianao.
- 9Ny zafiafin’ireo dia hahazo miditra amin’ny fiangonan’i Jehovah.
- 10Raha mivoaka hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
- 11Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
- 12Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ny toby indray izy.
- 13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ny toby ho fivoahanao;
- 14ary mitondrà fantaka miaraka amin’ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
- 15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
- 16Aza atolotrao amin’ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
- 17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
- 18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
- 19Aza mitondra ny tangin’ny vehivavy janga, na ny karaman’alika, ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
- 20Aza mampanàna zavatra amin’ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
- 21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra ataon’ny tananao eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana.
- 22Raha mivoady amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
- 23Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
- 24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ny vavanao.
- 25Raha mankany amin’ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
- 2626 Raha mankany amin’ny tanimbarin’ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ny namanao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.