Deotoronomia
Toko 18
- 1[Ny amin’ny ho anjaran’ny mpisorona sy ny Levita] Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah sy ny anjaran’i Jehovah no ho fihinany.
- 2Fa tsy hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.
- 3Ary izao no ho anjaran’ny mpisorona avy amin’ny olona, dia avy amin’izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
- 4ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ny volon’ondrinao no homenao azy.
- 5Fa izy sy ny taranany no nofidin’i Jehovah Andriamanitrao tamin’ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ny anaran’i Jehovah.
- 6Ary raha misy Levita miala amin’ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin’ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian’ny fony ho any amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah,
- 7ka manao fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan’i Jehovah,
- 8dia anjara mitovy amin’ny an’ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ny azony tamin-drainy.
- 9[Ny amin’ny mpaminany] REHEFA tonga any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ireo firenena ireo.
- 10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
- 11na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty.
- 12Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.
- 13Aoka ho tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao.
- 14Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.
- 15Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
- 16araka izay rehetra nangatahinao tamin’i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
- 17Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.
- 18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
- 19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.
- 20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia hatao maty.
- 21Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’i Jehovah?
- 22Raha miteny amin’ny anaran’i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’i Jehovah izany: tamin’ny fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.