Romana
Toko 9
- 1[Ny amin’ny nandavan’Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, fa tsy mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin’ny Fanahy Masina koa ny fieritreretako,
- 2fa mafy ny alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian’ny foko.
- 3Fa efa saiky niriko aza ho voaozona* ho afaka tamin’i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema]
- 4izay Isiraelita sady manana ny fananganan’anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
- 5azy koa ny razana, sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin’izy rehetra]
- 6Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely.
- 7Ary na dia taranak’i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin’isaka no hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
- 8Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
- 9Fa izao no filàzan’ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
- 10Ary tsy izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan’anaka tamin’ny anankiray, dia tamin’isaka razantsika;
- 11fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran’ny fikasan’Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin’ny asa, fa avy amin’izay miantso),
- 12dia nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
- 13araka ny voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
- 14Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’Andriamanitra? Sanatria izany!
- 15Fa hoy Izy tamin’i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo (Eks. 33. 19).
- 16Koa dia tsy avy amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka izany, fa avy amin’Andriamanitra Izay miantra.
- 17Fa hoy ny Soratra Masina tamin’i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
- 18Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
- 19Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
- 20Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an’Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin’izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
- 21Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
- 22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,
- 23mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
- 24dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny jentilisa koa,
- 25araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25);
- 26Ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
- 27Ary Isaia milaza ny amin’ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Zanak’isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
- 28fa amin’ny fahatanterahana faingana no hanefan’i Jehovah ny teniny ambonin’ny tany (Isa. 10. 22, 23);
- 29ary araka izay nolazain’Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon’ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika (Isa. 1. 9).
- 30Ahoana ary no holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin’ny finoana?
- 31fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
- 32Nahoana moa? Satria tsy tamin’ny finoana, fa toa tamin’ny asa, ka tafintohina tamin’ny vato mahatafintohina izy;
- 33araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.