Romana
Toko 14
- 1[Ny amin’ny handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
- 2Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
- 3Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
- 4Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
- 5Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy.
- 6Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy.
- 7Fa tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany.
- 8Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany.
- 9Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.
- 10Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra isika rehetra.
- 11Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra (Isa. 45. 23).
- 12Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
- 13Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy. [* Gr. mitsara]
- 14Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
- 15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
- 16Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
- 17Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
- 18Fa izay manompo an’i Kristy amin’izany zavatra izany no sitrak’Andriamanitra sy eken’ny olona fa tsara.
- 19Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
- 20Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana.
- 21Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao. [* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
- 22Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny.
- 23Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.