Romana
Toko 16
- 1[Famangiana sy teny farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
- 2mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.
- 3Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy;
- 4izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.
- 5Ary veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Asia ho an’i Kristy.
- 6Veloma amin’i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
- 7Veloma amin’i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ny Apostoly sady tao amin’i Kristy talohako.
- 8Veloma amin’i Ampliato, malalako ao amin’ny Tompo.
- 9Veloma amin’i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin’i Kristy, sy Staky malalako.
- 10Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo.
- 11Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narkisa, izay ao amin’ny Tompo.
- 12Veloma amin’i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ny Tompo.
- 13Veloma amin’i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary amin’ny reniny sy reniko.
- 14Veloma amin’i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ny rahalahy ao aminy.
- 15Veloma amin’i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
- 16Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo.
- 17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.
- 18Fa izy ireny tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.
- 19Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’izay ratsy.
- 20Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 21Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
- 22Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
- 23Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
- 24* [* Ampio hoe: [24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
- 25Ary ho an’izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
- 26fa efa naseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,
- 27ho an’Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.