Romana
Toko 4
- 1Inona ary no holazaintsika ho efa azon’i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
- 2Fa raha asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’Andriamanitra.
- 3Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
- 4Ary ho an’izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
- 5Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
- 6Dia araka izany koa no ilazan’i Davida fa sambatra ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa, hoe:
- 7Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
- 8Sambatra izay olona tsy hisain’i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
- 9Koa izany fahasambarana izany moa an’ny voafora ihany va, sa an’ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.
- 10Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
- 11Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny ny fahamarinana,
- 12ary ho rain’ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ny finoan’i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
- 13Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ny finoana, no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
- 14Fa raha izay amin’ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
- 15fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
- 16Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ny taranaka rehetra,- tsy ho an’izay amin’ny lalàna ihany, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
- 17araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
- 18Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
- 19Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha,
- 20ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
- 21ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
- 22Dia nisaina ho fahamarinany izany.
- 23Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
- 24fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty,
- 25Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.