Romana
Toko 6
- 1[Ny fahafahan’ny maro an’i Kristy amin’ny herin’ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana?
- 2Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
- 3Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?
- 4Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
- 5Fa raha nampiraisina* taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]
- 6fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
- 7Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.
- 8Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
- 9ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
- 10Fa ny amin’ny nahafatesany, dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy.
- 11Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy.
- 12Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
- 13ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian*’ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian**’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. [* Na: fiasan’] [** Na: fiasan’]
- 14Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana.
- 15Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!
- 16Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana?
- 17Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo;
- 18ary rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana.
- 19Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
- 20Fa fony mpanompon’ny ota ianareo, dia afaka tamin’ny fahamarinana.
- 21Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’izany zavatra izany.
- 22Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
- 23Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.