Romana
Toko 2
- 1[Ny amin’ny tsi-fahamarinan’ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin’ny lalàna] Koa amin’izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]
- 2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina amin’izay manao toy izany.
- 3Ary ianao, ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’Andriamanitra ianao? [* Gr. olona]
- 4Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
- 5Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra,
- 6Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
- 7ho an’izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
- 8fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
- 9eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ny fanahin’ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa;
- 10fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
- 11Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.
- 12Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
- 13Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
- 14fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
- 15fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-
- 16amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ny olona, araka ny filazantsarako amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
- 17Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin’ny lalàna sy manao an’Andriamanitra ho reharehanao
- 18ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]
- 19ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin’ny maizina,
- 20mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
- 21ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
- 22Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
- 23Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va ianao amin’ny andikanao ny lalàna?
- 24Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
- 25Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
- 26Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
- 27Ary tsy hohelohin’ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
- 28Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana;
- 29fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.