Romana
Toko 3
- 1Koa inona ary no tombony ananan’ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ny famorana?
- 2Be ihany amin’ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’Andriamanitra ho adidiny.
- 3Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’Andriamanitra?
- 4Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]
- 5Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon’ny olona aho -
- 6Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
- 7Fa raha ny fahamarinan’Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
- 8Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
- 9Ahoana ary? Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [** Gr. Grika]
- 10araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
- 11Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra.
- 12Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
- 13Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony (Sal. 140. 3);
- 14Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
- 15Ny tongony mimaona handatsa-drà;
- 16Fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany;
- 17Ary ny lalan’ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
- 18Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony (Sal. 36. 1).
- 19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao,
- 20satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota.
- 21[Ny fanamarinan’Andriamanitra maimaimpoana ny mino an’i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany,
- 22dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy* ho an’izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an’ny olona rehetra sy)]
- 23fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra,
- 24nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy,
- 25Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny ràny ho fanavotana* amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
- 26mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.
- 27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? amin’ny lalàn’ny asa va? Tsia; fa amin’ny lalàn’ny finoana.
- 28Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna.
- 29Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ny jentilisa koa? Eny, an’ny jentilisa koa;
- 30fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ny finoana.
- 31Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.