Romana
Toko 10
- 1Ry rahalahy, ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ireny dia famonjena.
- 2Fa vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
- 3Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
- 4Fa Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino.
- 5Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ny lalàna no ho velona amin’izany (Lev. 18. 5).
- 6Fa ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’i Kristy izany,)
- 7na: Iza no hidina any amin’ny lalina? (dia ny hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty izany.)
- 8Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay;
- 9satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao.
- 10Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.
- 11Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
- 12Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika]
- 13Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
- 14Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
- 15Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
- 16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah รด, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
- 17Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.
- 18Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ny faran’izao rehetra izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara]
- 19Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’izay tsy firenena, Dia amin’ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
- 20Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’izay tsy nanontany Ahy.
- 21Fa ny amin’ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.