Romana
Toko 15
- 1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
- 2Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.
- 3Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
- 4Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.
- 5Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an ’i Kristy Jesosy,
- 6mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 7Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo* koa ho voninahitr’Andriamanitra. [* Na: (antsika)]
- 8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ny voafora noho ny fahamarinan’Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ny razana,
- 9mba hankalazan’ny jentilisa an’Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
- 10Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin’ny olony (Deo. 32. 43).
- 11Ary koa: Midera’an’i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
- 12Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon’i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian’ny jentilisa (Iza. 11. 10).
- 13Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.
- 14Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
- 15Kanefa amin’ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
- 16mba ho mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin’ny itoriako ny filazantsaran’Andriamanitra, mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
- 17Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin’i Kristy Jesosy aho noho ny amin’Andriamanitra.
- 18Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, na tamin’ny teny, na tamin’ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
- 19dia tamin’ny herin’ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran’i Kristy. [* Na: (Fanahin’Andriamanitra)]
- 20Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin’izay efa naorin’ny sasany aho;
- 21fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
- 22Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
- 23Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin’ireto tany ireto sady efa naniry hatramin’ny taona maro hankany aminareo aho,
- 24raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin’ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
- 25Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
- 26Fa efa sitrapon’Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin’ny olona masina any Jerosalema.
- 27Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin’ny zavatra momba ny nofo izy.
- 28Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
- 29Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy.
- 30Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy,
- 31mba ho voavonjy amin’ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan’ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
- 32mba hankanesako any aminareo amin’ny fifaliana, raha sitrapon’Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
- 33Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.