Romana
Toko 12
- 1[Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana]
- 2Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].
- 3Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
- 4Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
- 5dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
- 6Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
- 7raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana;
- 8raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana.
- 9Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.
- 10Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
- 11Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo.
- 12Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana.
- 13Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
- 14Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
- 15Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
- 16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin’ny malahelo]
- 17Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra.
- 18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.
- 19Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
- 20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
- 21Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.