2 Tantara
Toko 8
- 1[Ny amin’ny trano nataon’i Solomona sy ny nandaminay ny amin’ny fanatitra hatao ao amin’ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’i Solomona ny tranon’i Jehovah sy ny lapan’ny tenany,
- 2dia namboariny ny tanàna izay nomen’i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’isiraely.
- 3Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
- 4Ary nanorina an’i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
- 5Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
- 6ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ny tany nanjakany rehetra.
- 7Ary ny amin’ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Isiraely
- 8dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ny taniny, fa tsy naringan’ny Isiraely, no nampanaovin’i Solomona fanompoana mandraka androany.
- 9Fa ny Zanak’isiraely dia tsy mba nampanaovin’i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin’ny mpanafika malaza ary komandin’ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
- 10Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin’i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
- 11Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran’ny fiaran’i Jehovah.
- 12Ary tamin’izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah teo ambonin’ny alitaran’i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ny lavarangana fidirana;
- 13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’i Mosesy dia tamin’ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.
- 14Ary notendreny koa ny antokon’ny mpisorona araka ny nandaharan’i Davida rainy azy ho amin’ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’i Davida lehilahin’Andriamanitra, azy.
- 15Ary tsy nialan’ireo ny didin’ny mpanjaka tamin’ny mpisorona sy ny Levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny rakitra.
- 16Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’i Jehovah.
- 17Ary tamin’izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron’ny ranomasina any amin’ny tany Edoma,
- 18ary ny mpanompon’i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin’i Solomona mpanjaka izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.