2 Tantara
Toko 3
- 1[Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’i Jehovah tamin’i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ny fitoerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.
- 2Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona fahefatra nanjakany.
- 3Ary toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
- 4Ary ny amin’ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
- 5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia* sy tongalika. [palma]
- 6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
- 7Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ny kerobima ny rindrina.
- 8Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
- 9Ary ny lanjan’ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
- 10Ary tao amin’ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin’ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
- 11Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray;
- 12ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.
- 13Nivelatra ny elatr’ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
- 14Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ny kerobima ny sorany.
- 15Ary nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
- 16Ary nanao tongalika tao amin’ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ny tongalika ireo.
- 17Ary ny andry natsangany teo anoloan’ny tempoly, ny iray tamin’ny ankavanana, ary ny iray tamin’ny ankavia; ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavanana nanao ny hoe Jakina*, ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa natao hoe Boaza**.[*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.