2 Tantara
Toko 1
- 1[Fanatitra nataon’i Solomona, ary nisehoan’Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak’i Davida, dia nitombo hery tamin’ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
- 2Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin’ny Isiraely, dia lohan’ny fianakaviana,
- 3ka dia niara-niakatra ho any amin’ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, tany an-efitra.
- 4Fa fiaran’Andriamanitra efa nampakarin’i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
- 5Ary alitara varahina izay nataon’i Bezalila, zanak’i Ory zanak’i Hora, dia teo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy* tao. [Na: azy]
- 6Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ny alitara varahina teo anatrehan’i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
- 7Tamin’ny alin’iny no nisehoan’Andriamanitra tamin’i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
- 8Dia hoy Solomona tamin’Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
- 9Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra รด. aoka ho tanteraka teninao tamin’i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
- 10Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
- 11Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
- 12dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
- 13Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin’ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin’ny Isiraely izy.
- 14[Ny amin’ny nanangonan’i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin’ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin’ireny tanàna fitoeran’ny kalesy ary tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
- 15Ary nataon’ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela]
- 16Avy tany Egypta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
- 17Ary ny vidin’ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Syriana.
- 18[Ny niomanan’i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah sy lapa ho an’ny tenany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.