2 Tantara
Toko 14
- 1Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Jehovah Andriamanitra;
- 2fa nandrava ny alitaran’ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
- 3Ary nandidy ny Joda hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
- 4Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo* ho an’ny masoandro teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.[Na: tsangam-bato]
- 5Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
- 6Dia hoy izy tamin’ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
- 7Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
- 8Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
- 9Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin’i Maresa izy.
- 10Ary Asa nitaraina tamin’i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny maro izy*, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.[Na: Jehovah ô, mora foana aminao ny hamonjy na ny mahery na izay tsy manan-kery]
- 11Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
- 12Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ny Joda babo betsaka.
- 13Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
- 14Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.