2 Tantara
Toko 20
- 1[Ny nandehanan’ny Moabita sy ny namany hiady tamin’ny Joda, ary ny vavaka nataon’i Josafata, sy ny namonjen’Andriamanitra azy] Ary nony afaka izany, dia avy hiady tamin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny any ankoatry ny Amonita*.[Na: mbamin’ny Meonita; izahao xxxvi. 7]
- 2Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).
- 3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.
- 4Dia niangona ny Joda hangataka famonjena amin’i Jehovah; eny, avy tamin’ny tanànan’ny Joda rehetra hitady an’i Jehovah izy.
- 5Ary Josafata nitsangana teo amin’ny fiangonan’ny Joda sy Jerosalema, Tao amin’ny tranon’i Jehovah, teo anoloan’ny kianja vaovao,
- 6ka nanao hoe: Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tananao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
- 7Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity hiala teo anoloan’ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao?
- 8Ary nonina tatỳ izy ka nanao fitoerana masina teto ho an’ny anaranao sady nanao hoe:
- 9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
- 10Koa indreo ny taranak’i Amona sy Moaba ary ny avy any an-tendrombohitra, Seira, dia ilay tsy navelanao hotafihin’ny Isiraely, fony izy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, ka nivily fa tsy nandringana azy;
- 11nefa indreo izy mamaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin’ny lova nomenao anay.
- 12Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ny masonay.
- 13Ary ny Joda rehetra mbamin’ny vadiny aman-janany koa dia samy nitsangana teo anatrehan’i Jehovah.
- 14Ary Jahaziela, zanak’i Zakaria, zanak’i Benaia, zanak’i Jeiela, zanak’i Matania, Levita amin’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’i Jehovah teo amin’ny fiangonana
- 15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra.
- 16Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny efitr’i Jeroela.
- 17Tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
- 18Dia niankohoka tamin’ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’i Jehovah koa ka nivavaka.
- 19Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ny feo mahery indrindra.
- 20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
- 21Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an’i Jehovah hidera amin’ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan’ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 22Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
- 23Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.
- 24Ary nony tonga teo amin’ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.
- 25Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty* ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny. [Na: fitafiana]
- 26Ary tamin’ny andro fahefatra dia nivory tao amin’ny lohasaha Beraka* izy, fa tany no nisaorany an’i Jehovah; koa izany no nanaovany izany tany izany hoe Lohasaha Beraka mandraka androany.[Beraka = Fisaorana]
- 27Koa dia niverina ny lehilahy rehetra amin’ny Joda sy Jerosalema, ary Josafata nitarika azy hankany Jerosalema indray tamin’ny fifaliana, fa Jehovah nampifaly azy ny amin’ny fahavalony.
- 28Ary tonga tany Jerosalema izy nitondra valiha sy lokanga ary trompetra ka nankao an-tranon’i Jehovah.
- 29Ary ny fahatahorana an’Andriamanitra nahazo ny fanjakana rehetra manodidina, nony efa reny fa Jehovah no niady tamin’ny fahavalon’ny Isiraely.
- 30Ary nandry fahizay ny fanjakan’i Josafata; fa nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy.
- 31[Filazana fohifohy ny amin’ny nanjakan’i Josafata] Ary Josafata nanjaka tamin’ny Joda; dimy amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’i Sily.
- 32Ary nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah.
- 33Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa ny olona tsy mbola nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitry ny razany.
- 34Ary ny tantaran’i Josafata sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ny tenin’i Jeho, zanak’i Hanany, izay nakambana ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Isiraely, izany.
- 35Nefa nony afaka izany, Josafata, mpanjakan’ny Joda, nikambana tamin’i Ahazia, mpanjakan’ny Isiraely, izay nanao ratsy;
- 36ary nikambana taminy hanao sambo hankany Tarsisy izy, ka tao Ezion-gebera no nanaovany azy.
- 37Ary Eliezera, zanak’i Dodavaho, avy any Maresa, naminany ny amin’i Josafata hoe: Noho ny nikambananao tamin’i Ahazia dia horavan’i Jehovah ny asanao. Ary nahavakiana ny sambo ka tsy nahazo nankany Tarsisy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.