2 Tantara
Toko 10
- 1[Ny niodinan’ny firenena folo tsy hanaiky an-dRehoboama] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan’ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.
- 2Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak’i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan’i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.
- 3Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:
- 4Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.
- 5Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.
- 6Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?
- 7Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin’ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.
- 8Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:
- 9Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ?
- 10Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ny raiko;
- 11koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.
- 12Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin’ny andro fahatelo, araka ilay nolazain’ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin’ny andro fahatelo.
- 13Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin’ny olona, fa nandà ny hevitra nomen’ireo zoki-olona azy
- 14ka niteny taminy araka ny hevitra nomen’ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan’ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.
- 15Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia Silonita tamin’i Jeroboama,zanak’i Nebata.
- 16Ary nony hitan’ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’i Davida ? Tsy manana lova amin’ny zanak’i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida รด. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.
- 17Fa ny Zanak’isiraely izay nonina tany an-tanànan’ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.
- 18Ary dia naniraka an’i Adorama, komandin’ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak’isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin’ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.
- 19Ka dia niodina tamin’ny taranak’i Davida ny Isiraely mandraka androany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.