2 Tantara
Toko 16
- 1[Ny nanambazan’i Asa an’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, hanampy azy hiady amin’i Basa, mpanjakan’ny Isiraely, sy ny nananaran’i Sanany mpaminany azy noho izany, ary ny nahafatesan’i Asa] Tamin’ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’i Asa, mpanjakan’ny Joda.
- 2Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
- 3Misy* fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin’ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’i Basa, mpanjakan’ny Isiraely, mba hialany amiko. [Na: Aoka hisy]
- 4Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin’i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Isiraely; dia nandrava an’Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin’ny tanànan’ny Naftaly izy.
- 5Ary nony ren’i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
- 6Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin’ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’i Basa, ka nentiny nanamboatra an’i Geba sy Mizpa.
- 7Ary tamin’izany andro izany dia nankeo amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ny mpanjakan’i Syria fa tsy niankina tamin’i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ny mpanjakan’i Syria.
- 8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
- 9Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’izao.
- 10Dia tezitra tamin’ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’i Asa tamin’izay.
- 11Ary, indro, ny tantaran’i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny Isiraely.
- 12Tamin’ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’i Asa dia narary tamin’ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
- 13Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ny razany; maty izy tamin’ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
- 14Dia nalevina tao amin’ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’i Davida, ka nampandrina teo amin’ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.