2 Tantara
Toko 12
- 1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
- 2Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema, fa nivadika tamin’i Jehovah ny mponina tany,
- 3ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
- 4Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
- 5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’i Sisaka.
- 6Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
- 7Ary nony hitan’i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy*; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tànan’i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]
- 8Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ny fanjakana hafa.
- 9Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’i Solomona.
- 10Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka.
- 11Ary na oviana na oviana no nidiran’ny mpanjaka tao an-tranon’i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ny mpiambina indray.
- 12Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ny Joda.
- 13Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’i Jehovah tamin’ny firenen’Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
- 14Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’i Jehovah.
- 15Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
- 16Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.