2 Tantara
Toko 4
- 1Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
- 2Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]
- 3Ary teo ambanin’ny tavin-drano lehibe* nisy sarin’omby manodidina azy, dia folo amin’ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-natao an-idina tamin’ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]
- 4Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin’ny sarin’omby roa ambin’ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe* dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina]
- 5Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin’ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
- 6Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe* kosa dia fisasan’ny mpisorona.[Heb. ranomasina]
- 7Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, dimy teo amin’ny ankavanana, ary dimy teo amin’ny ankavia.
- 8Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, dimy teo amin’ny ankavanana, ary dimy teo amin’ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
- 9Ary nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
- 10Ary ny tavin-drano lehibe* nataony tamin’ny ankavanana, dia teo amin’ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina]
- 11Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan’i Hirama ny asa izay nataony ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’Andriamanitra:
- 12dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon’ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ny andry avy,
- 13ary ny sarin’ampongaben-danitra efa-jato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ny andry avy;
- 14ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin’ny fitoerany;
- 15ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin’omby roa ambin’ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina]
- 16Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron’afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon’i Hiram-aby* ho an’i Solomona mpanjaka ho amin’ny tranon’i Jehovah tamin’ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]
- 17Teo amin’ny tany amoron’i Jordana no nanaovan’ny mpanjaka an-idina azy tamin’ny tanimanga teo anelanelan’i Sokota sy Zaretana.
- 18Toy izany no nanaovan’i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan’ny varahina.
- 19Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo aseho,
- 20ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan’ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
- 21ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
- 22ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin’ny trano, dia ny mankao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin’ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.