2 Tantara
Toko 17
- 1[Ny niandohan’ny nanjakan’i Josafata, sy ny fahazotoany hampandroso ny fivavahana tamin’i Jehovah, ary ny nanambinana azy] Ary Josafata, zanak’i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin’ny Isiraely izy.
- 2Ary namponina miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra eran’i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin’ny tany Joda sy tany amin’izay tanànan’ny Efraima efa azon’i Asa rainy.
- 3Ary Jehovah nomba an’i Josafata, satria nandeha tamin’ny nalehan’i Davida rainy izy, dia ilay tamin’ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;
- 4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Isiraely.
- 5Koa dia nampitoerin’i Jehovah teo an-tànany ny fanjakana; ary ny Joda rehetra nitondra fanomezana ho an’i Josafata, ka dia nanana harena sy voninahitra be izy.
- 6Ary ny fony nihanatoky tamin’ny lalan’i Jehovah. dia noravany tsy ho eo amin’ny Joda ny fitoerana avo sy ny Aseraha.
- 7Ary tamin’ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ny tanànan’ny Joda,
- 8Ary nisy Levita koa niaraka tamin’ireo, dia Semaia sy Netania sy Zebadia sy Asahela sy Semiramota sy Jonatana sy Adonia sy Tobia ary Tob-adonia, Levita, mbamin’i Elisama sy Jorama, mpisorona.
- 9Ary nampianatra tany Joda izy ireo, ka nentiny ny bokin’ny lalàn’i Jehovah, dia nitety ny tanànan’ny Joda rehetra izy ka nampianatra teny amin’ny olona.
- 10Ary ny tahotra an’i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda, ka dia tsy nisy niady tamin’i Josafata ireo.
- 11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
- 12Ary Josafata nihanahery indrindra ka nanao trano fiarovana sy tanàna fitehirizana tany Joda.
- 13Ary nanana fananana betsaka tao amin’ny tanànan’ny Joda koa sy miaramila, lehilahy mahery, tany Jerosalema izy.
- 14Ary izao no nandaminana azy araka ny fianakaviany avy: Ny mpifehy arivo tamin’ny Joda dia Adna komandy, ary ny fehiny dia lehilahy mahery telo hetsy;
- 15ary nanarakaraka azy dia Johanana komandy, ary ny fehiny dia valo alina amby roa hetsy;
- 16ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolotena ho an’i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.
- 17Ary tamin’ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;
- 18ary nanarakaraka azy dia Jozabada, ary ny fehiny dia valo alina amby iray hetsy efa voaomana hiady.
- 19Ireo no mpitoetra tamin’ny mpanjaka, afa-tsy izay nampitoerin’ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda eran’i Joda rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.