Mpitsara
Toko 21
- 1Ary ny lehilahy amin’ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ny Benjamita.
- 2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’Andriamanitra mandra-paharivan’ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
- 3nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely รด, nahoana no tonga tamin’ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ny Isiraely?
- 4Ary nony ampitson’iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
- 5Ary hoy ny Zanak’Isiraely: Iza amin’ny ferenen’Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ny fiangonana hanatona an’i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’izay tsy niakatra ho any amin’i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
- 6Ary ny Zanak’Isiraely nanenina ny amin’i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ny Isiraely ankehitriny.
- 7Ahoana no hataontsika amin’ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ny zanakavavintsika?
- 8Dia hoy izy: Iza amin’ny firenen’Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana.
- 9Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
- 10Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ny lelan-tsabatra mbamin’ny zaza amim-behivavy.
- 11Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo*.[Heb. hataonareo herema]
- 12Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ny tany Kanana.
- 13Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ny taranak’i Benjamina, izay tao amin’ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
- 14Dia niverina tamin’izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
- 15Ary ny olona nanenina noho ny amin’i Benjamina, satria nisy nobangain’i Jehovah ny firenen’Isiraely.
- 16Dia hoy ny loholon’ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ny Benjamita?
- 17Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ny Isiraely.
- 18Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ny Benjamita.
- 19Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’i Jehovah any Silo, izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’i Lebona.
- 20Ary nandidy ny taranak’i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ny tanim-boaloboka,
- 21ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ny tanin’ny Benjamina indray.
- 22Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
- 23Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
- 24Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’Isiraely tamin’izany andro izany, samy ho any amin’ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ny lovany avy ny olona rehetra.
- 25Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.