Mpitsara
Toko 4
- 1[Ny nampahorian’i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen’i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak’Isiraely nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
- 2Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ny Jentilisa, no komandin’ny miaramilany.
- 3Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’Isiraely roa-polo taona izy.
- 4Ary Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’izany andro izany.
- 5Ary izy nipetraka teo ambanin’ny hazo rofian*’i Debora, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany havoan’i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak’Isiraely hatsaraina.[Palma]
- 6Ary Debora naniraka ka niantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ny taranak’i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
- 7Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina, mbamin’ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
- 8Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
- 9Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin’i Baraka hankany Kadesy
- 10Ary nantsoin’i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
- 11Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, zaodahin*’i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin’ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan’i Kadesy.[Na: rafozan’]
- 12Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa Baraka, zanak’i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
- 13Dia nangonin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan’ny Jentilisa, hankany amin’ny ony Kisona.
- 14Ary hoy Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’i Jehovah an’i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
- 15Dia nampifanaritahin’i Jehovah tamin’ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin’ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
- 16Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
- 17Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin’ny lain’i Jaela, vadin’i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera Kenita.
- 18Dia nivoaka Jaela hitsena an’i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
- 19Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
- 20Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
- 21Dia naka tsima-day Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin’ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
- 22Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin’i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin’ny fihirifany.
- 23Dia naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Isiraely tamin’izany andro izany Jabina, mpanjakan’i Kanana.
- 24Ary ny tanan’ny Zanak’Isiraely nihahery tamin’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, mandra-pandringany azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.