Mpitsara
Toko 7
- 1Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ny loharano Haroda*; ary ny tobin’ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan’ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
- 2Ary hoy Jehovah tamin’i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
- 3Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan’ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin’ny tany havoan’i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
- 4Fa hoy Jehovah tamin’i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin’ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
- 5Ary dia nampidinin’i Gideona ho eo amin’ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
- 6Ary telon-jato lahy no isan’izay nanainga ny tànany tamin’ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
- 7Ary hoy Jehovah tamin’i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ny fonenany avy.
- 8Ary ny olona nitondra vatsy* sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin’ny olona ireo]
- 9Ary tamin’izany alina izany dia hoy Jehovah tamin’i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin’ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
- 10Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ny toby Pora zatovonao;
- 11dia ho renao izay lazain’ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ny toby. Dia nidina niaraka tamin’i Pora zatovony izy ho any an-tsisin’ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin’ny toby.
- 12Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
- 13Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midina ka nankamin’ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
- 14Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
- 15Ary rehefa ren’i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ny tobin’ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tananareo ny tobin’ny Midiana.
- 16Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ny siny.
- 17Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ny sisin’ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
- 18Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An’i Jehovah sy Gideona!
- 19Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
- 20Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!
- 21Ary samy nijanona teo amin’ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
- 22Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’i Jehovah tamin’ny sabatra ny miaramila eran’ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ny fari-tanin’i Abela-mehola akaiky an’i Tabata.
- 23Dia nivory ny lehilahy amin’ny Isiraely avy tamin’ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
- 24Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
- 25Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ny vatolampin’i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ny famiazam-boalobok’i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’i Gideona tany an-dafin’i Jordana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.