Mpitsara
Toko 19
- 1[Ny ratsy nataon’ny mponina tao Gibea, sy ny namalian’ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin’izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ny tany havoan’i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
- 2Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
- 3Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan’ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
- 4Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
- 5Ary nony tamin’ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
- 6Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
- 7Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
- 8Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin’ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan’ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
- 9Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
- 10Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
- 11Ary rehefa mby teo akaiky an’i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin’ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ity tanànan’ny Jebosita ity isika ka handry ato.
- 12Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin’ny tanànan’ny olona hafa firenena izay tsy isan’ny Zanak’Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
- 13Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Andeha isika hankamin’ny anankiray amin’ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
- 14Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an’i Gibea, izay an’ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
- 15Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
- 16Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ny tany havoan’i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin’izany tanana izany dia Benjamita.
- 17Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
- 18Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ny tany havoan’i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany* an-tranon’i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]
- 19kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
- 20Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
- 21Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
- 22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
- 23Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianareo.[Heb. fahadalana]
- 24Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
- 25Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
- 26Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ny andro.
- 27Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano, ary ny tanany eo amin’ny tokonana.
- 28Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ny fonenany.
- 29Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin’ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin’ny taolana ho roa ambin’ny folo toko, ka nampitondrainy eran’ny tanin’ny Isiraely rehetra.
- 30Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ny andro niakaran’ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.